<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>470</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny foko, ry Mpamonjy,
 Mangetaheta Anao,
 Maniry lalandava
 Hikambana Aminao.
 Tsy afaka ao am-poko
 Ny faniriana Anao ;
 Oneno re ny foko
 Ho lapanao !

[V2]
 Ny androm-pahoriana,
 Raha lapanao ny fo,
 Manjary fitahiana,
 Izay manadio ny fo :
 Tsy afaka ao ..sns.

[V3]
 Ny ora fifaliana,
 Raha ao anilanao,
 Mamelom-paniriana
 Hanao ny sitrakao :
 Tsy afaka ao ..sns.

[V4]
 Ho lao ny fahotako
 Raha akaikezinao,
 Tsy misy hadalako
 Izay tsy afakao :
 Tsy afaka ao ..sns.

[V5]
 Finaritra ny saiko
 Raha ipetrahanao,
 Fa reraka ny aiko
 Raha halavirinao :
 Tsy afaka ao ..sns.</lyrics>
<title>Ny foko, ry Mpamonjy FFPM470</title>
</song>